15ème dimanche du TO

« Il commença à les envoyer »


Pour ce dimanche, 11 juillet 2021, la communauté de Maipu, à Santiago au CHILI nous partagent la richesse qu'elles ont trouvée dans la parole de l'Evangile. Merci!

 




Evangile de Jésus Christ selon saint Marc 6. 7 – 13

En ce temps-là,
    Jésus appela les Douze ; 
alors il commença à les envoyer en mission deux par deux. 
Il leur donnait autorité sur les esprits impurs, 
    et il leur prescrivit de ne rien prendre pour la route, 
mais seulement un bâton ; 
pas de pain, pas de sac, 
pas de pièces de monnaie dans leur ceinture. 
    « Mettez des sandales, 
ne prenez pas de tunique de rechange. » 
    Il leur disait encore : 
« Quand vous avez trouvé l’hospitalité dans une maison, 
restez-y jusqu’à votre départ. 
    Si, dans une localité, 
on refuse de vous accueillir et de vous écouter, 
partez et secouez la poussière de vos pieds : 
ce sera pour eux un témoignage. » 
    Ils partirent, 
et proclamèrent qu’il fallait se convertir. 
    Ils expulsaient beaucoup de démons, 
faisaient des onctions d’huile à de nombreux malades, 
et les guérissaient.

 
  


 


 

 Jésus envoie ses disciples en mission, il ne les garde pas seuls avec lui (Mc 3, 14). Compter sur eux pour continuer à répandre la bonne nouvelle.

Il les envoie deux par deux, en signe de communauté, d'entraide, en signe du Royaume.
Comment puis-je contribuer à ce que ma communauté soit le soutien dont nous avons besoin pour vivre et proclamer avec joie l'Évangile ?

 

Il les envoie dépourvus, uniquement avec une canne et des sandales, comme des pèlerins, non installées.
Ils n'ont pas besoin de se préoccuper de leur propre sécurité, mais plutôt d'annoncer la parole librement,
sans être liés à rien ni à personne, ce qui éveille la générosité des pauvres,
qui savent partager avec les simples et les nécessiteux.

 

Jésus leur donne le pouvoir de libérer les esclaves, ils le feront à partir de la simplicité dépouillée,
en témoignant de la proximité, les gens doivent les voir identifiés avec les petits.

 

Le projet de vie de Jésus ne se construit pas avec de l'argent ou du pouvoir.

Ni l'un ni l'autre ne changent le cœur des gens, ils sont plutôt un obstacle
car la sécurité du bien-être nous éloigne des pauvres et le prestige nous remplit de nous-mêmes.

 

Il ne sera pas facile pour l'Église d'apprendre à vivre « en minorité », au sein d'une société sécularisée et pluraliste.
Mais il est bon de perdre le pouvoir économique et politique,
car cette dépossession nous rapproche du royaume annoncé par Jésus.

 

 

 

Communauté de Maipu, Santiago - CHILI




13ème dimanche du Temps Ordinaire, 27 juin 2021


Ce dimanche, nos soeurs de la communauté de Vohilengo à Madagascar nous partagent leur joie et leur découverte de l'Evangile...


Evanjely masina nosoratan’i Md. Marka 5. 21 – 43

 

Ary rahefa niondrana tamin'ny sambo kely Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan'ny vahoaka teo amoron-dranomasina izy. Dia avy ny anankiray amin'ny lehiben'ny sinagoga atao hoe Jaïra, ka nony nahita azy dia niankohoka tamin'ny tongony izy, sady nihanta mafy taminy nanao hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tànana aminy hianao, mba ho sitrana sy ho velona izy. Dia nandeha niaraka taminy izy, ary be ny vahoaka nanaraka azy sy nifanety taminy. 
       Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin'ny folo taona, izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin'ny mpanao fanafody maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. Nony nahare ny amin'i Jesoa izy, dia nisisika tamin'ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho. Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. Teo no ho eo ihany dia fantatr'i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin'ny tenany, ka nitodika ny vahoaka izy nanao hoe: Iza no nanendry ny fitafiako? Ary hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka hianao manontany hoe: Iza no nanendry ahy ?
Dia nijerijery manodidina azy izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. 33Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. Ary hoy izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin'ny aretinao. 
       Raha mbola niteny Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga ka nanao taminy hoe: Maty ny zanakao vavy, ka nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany ?
Fa nony nandre izany teny izany Jesoa dia nilaza tamin'ilay lehiben'ny sinagoga hoe: Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany. Ary tsy nisy navelany hanaraka azy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany rahalahin'i Jakoba. Ary nony tonga tany an-tranon'ilay lehiben'ny sinagoga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan'i Jesoa. Ary niditra izy ka niteny tamin'ireo hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany ? Tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy azy fatratra ny olona ; fa izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'ireo nanaraka azy niditra tao amin'izay niamparan-drazazavavy, ary nandray ny tànany sy nilaza taminy hoe: Talita, komy, izany hoe: Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangàna.Niaraka tamin'izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin'ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr'olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy. >

 





 

- « Marary am-bavahaona ny zanako ka tongava ianao hanasitrana azy » : fihetsika maneho finoana st fahatokisana. Fihetsika ahitàna fanetren-tena hanatona an’i Jesoa, miankohoka eo an-tongony mba hangata-bonjy aminy : hamerina ny aina ho an’ny zanany.

 

- Fantany sy inoany ny fahefana anànan’i Jesoa, afaka manala ny zavatra mangeja ny olona izy.



 

- Fanànan’ilay vehivavy herim-po sy fanentren-tena dia zava-dehibe : ny faniriany te ho sitrana dia tsy nijanona tamin’ireo ezaka tsy nahomby efa nataony fa nanohy izany mba hahatongavany amin’ny fahasitranany sy hiverenany amin’ny maha izy azy.

- Fa tsy mandehaho azy izany, mitaky faharetana, herim-po sy fahamarinana : « nambàarany azy ny marina rehetra ». Ny fihetsik’i Jesoa eto dia ny hanoritra ny ezaka rehetra nataon’ilay vehivavy.

- Ny faniriantsika olombelona te hiaina dia misy fiantraikany amin’i Jesoa, izany hoe ny fahatongavany ho nofo dia midika ny fanikmezany manontolo ny ainy fa tsy ny fiarahany fotsiny eo anivontsika.




 

- Tsy nampoizin’i Jesoa ny finoan’ity vehivay ity, vokatry ny herim-po nanànany dia nandray anjara amin’ny asa fanavotana ihany ko aizy : ‘ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana am-piadanana ary sitràna amin’ny aretinao. »

- Tsy avelan’i Jesoa ho very ny ezaka ataontsika eny na dia kely aza ary na dia mitaky faharetana ihany koa indraindray tahaka ity lehiben’ny fiangonana ity, fantany izany ary izy mihitsy no mankahery : « aza matahotra… »



 

- Ny zanakavavin’i Jaïra : nitsangana noho ny baikon’i Jesoa. nasainy nitsangana mba hanafahany miaina zava-baovao ary teo anatrehan’ny ray sy reniny.

- Nasain’i Jesoa nomena hanina izy : naveriny eto ny andraikitra maha ray sy reny azy ireo ary asehony ihany koa fa tsy manao « magie » akory izy fa mamerina ny ain’ny zazavavy, izay eo amin’ny taona hahafahana mandrafitra ny ho avy.





 

- « Nahoana no mitabataba sy mitomany ianareo… », eto i Jesoa dia manohina ireo olona hisaina amin’ny fomba vaovao manoloana ny zava-mitranga : ahoana no ahafahana mino fa misy ny fiainana eo am-piatrehana fahafatesana ? Ny fisian’ilay Tompon’nay aina eo anivontsika ihany no hahafahantsika maneho fa Izy irery ihany no afaka mamerina ny aina. Ny angatahany amintsika dia ny finiavana, ny faharetana ary finoantsika …..

- Amin’izao vanim-potoana izay mampisongadina fa « ny mahomby dia ireo izay mahafehy ny fotoana », ahoana no hampitomboana ny herim-po sy ny finoana hahafahana mamakivaky sy mihoatra ireo andian-kevitra na fampanantenana poak’aty mba hahatongavana amin’i Jesoa  izay loharanon’ny fahamarinana sy fitiavana ?

- Enga anie isika hangataka fahasoavana tahaka nanànan’io lehiben’ny siangaoga sy ilay vehivavy izay nanana faharetana ka tonga teo an-tongotr’i Jesoa nitondra ny zavatra nanahirana azy ireo.


 

 



Communauté VOHILENGO, Madagascar


 






 

Sous-catégories