Sainte Trinité 30 mai 2021

« Baptisez-les au nom du Père, et du Fils, et du Saint-Esprit » (Mt 28, 16-20)

 

 

Ce dimanche de Sainte Trinité, nos soeurs de la communauté de Berafia à Madagascar
nous font goûter le fruit de leur étude de l'Evangile...

Evanjelin’i Md. Matio 28. 16-20

Ary ny mpianatra iraika ambin’ny folo nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasan’i Jesoa halehany. Nony nahita azy izy ireo, izay nisalasala teo aloha, dia nitsaoka azy. Ary Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe : « efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehàna ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatonga ny faran’izao tontolo izao.»

 

 


 

 

- Fandehanana any Galilea, any amin’ny tendrombohitra tamin’ ny fotoan-tsarotra satria mbola nisalasala ny mpianatra kanefa niezaka nanatanteraka ny izay voalazan’i Jesoa.

 

 

- Galilea : toerana matetika isehoan’ny dingana vaovao, ohatra teo am-panaratoana no niantsoan’i Jesoa ny mpianany izay nandao ny haratony (Mt. 4. 21-22).

Eto i Galilea dia toerana handraisan’ireo mpianatra aina sy finoana vaovao vokatry ny fihaonana tamin’ilay nitsangan-ko velona.

- Io toerana io koa dia handraisana iraka, izay azo heverina ho sarin’ny fiangonana ny tendrombohitra; satria eo no hihaonana amin’i Jesoa Kristy ka hahalalana Azy, ao no handraisana sakramenta.

- Manaitra ny fihetsiky ny mpianatra nitsaoka an’i Jesoa: maneho fiekem-pinoana satria nisalasala izy ireo teo aloha, miseho eto ny maha Andriamanitra an’i Jesoa satria Andriamanitra irery ihany no hitsaohana.

- Ny fontsika no tendrombohitra hihaonana amin’i Jesoa, amin’ny alalan’ny vavaka sy fandinihana ny Tenin’Andriamanitra. Zava-dehibe io fihaonan’i Jesoa sy ny mpianatra io satria eo no ampitàny hafatra : “koa mandehàna ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”.

 

Iraka isika satria miasa amin’ny anaran’ny mpaniraka kanefa tsy maintsy mailo mandrakariva mba tsy hanao izay tsy nasainy atao. Miezaka manatanteraka io tenin’i Jesoa io isika amin’ny alalan’ny fifampizaràna sy fifanohanana ataontsika.

- Mampianatra antsika hanome lanja ny fahasamihafana ny batemy amin’ny anaran’ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina satria samy manana ny anjarany izy telo nefa miara-miasa mandrakariva, manaiky fifamenoana.

 

 

- Angataho isan’andro ny Fanahy Masina hoy i P. Chevrier satria mila azy isika, sarotra ny mahazo azy.

- Jesoa maniraka sady manome fampatokisana “Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatonga ny faran’izao tontolo izao.».



Antso tsapanay

-        Fiezahana mitsaoka azy maharitra sy mitohy amin’ny alalan’ny vavaka sy fianarana Evanjely.

-        Fihainoana ny bitsiky ny Fanahy Masina anaty fahanginana (hiezaka hamboly fahanginana anaty)

-        Mangataka ny Fanahy Masina satria ny finoana anànana no zaraina amin’ny hafa.

Andriamanitra ô, misaotra anao izahay amin’ny nanomezanao anay an’i Jesoa ho eto aminay mlandrakariva, hery lehibe ho anay sy ho an’izao tontolo izao.

 

 

 

Communauté de BERAFIA- Madagascar