VAVAK'I MOMPERA ANTOINE CHEVRIER

 

Ry tenin'Andriamanitra ! Ry Kristy Tompo !

Tsara marina Ianao !

Tena lehibe tokoa Ianao !

Zovy no afaka hafantatra anao tanteraka ?

Zovy no afaka ahazo sy halala ny teninao ?

Ataovy mahafantatra ka mankatia anao ry Kristy.

Satria ianao no fahazavana,

Avelao mba hanilo ny Fanahiko

ny tsirim-pahazavanao Andriamanitra

Mba hafahako mahita maso

sy mahazo ary mahalala anao.

Ametraho finoana anao lehibe ato amiko,

mba hanjary fanilo manazava ahy ireo teninao

Ary hitarika ahy hanatona anao

Ka hanara-dia anao

amin’ny lalan'ny rariny sy ny marina rehetra aho.

Ry Kristy Tompo ! Ry Tenin'Andriamanitra !

Ianao no Tompoko sy Mpampianatra ho ahy tokana.

Mitena re, vonona hiaino

sy hanatanteraka ny teninao amin'ny asa ataoko aho.

Vonona hiaino ny teninao Andriamanitra aho,

satria fantatro fa teny avy any An-danitra izany.

Vonona hiaino azy aho, handinika, hanatanteraka azy,

Satria misy fiainana, misy hafaliana, misy fiadanana

sy fahasambarana ao amin'ny Teninao.

Mitenena Tompo ô,

Ianao no Tompoko sy Mpampianatro

ary tsy te hiaino afa tsy Ianao aho.