Alahady 28 Novambra, alahady voalohany amin’ny Fiaviana


« Votre rédemption approche » (Lc 21, 25-28.34-36)



 

FIFAMPIZARAM-PINOANA COMMUNAUTE SAINT BENOIT


Ce premier dimanche de l'Avent,
nos soeurs de la communauté du "centre St. Benoît" de Madagascar nous partagent
les lumières, la force de leur vie à travers l'Evangile. Merci!

Evanjelin’i Md. Lioka 21. 25 – 28, 34 – 36


Tamin’izany andro izany hoy i Jesoa :

“hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety an-tany dia ho ory sy very hevitra  ny firenena noho  ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany ; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny lanitra.

Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.

Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandràto ny lohanareo  fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanàn-doatra sy fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!

Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.

Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona”.






«Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’Olona »

 

Ny loza dia ny fiainana lavitra an’Andriamanitra. Tsy zavatra mbola andrasana ela be izany, fa efa mihatra anatin’ireny tebitebin-tsaina sy fikorontanana vokatry ny fahotana.

 

Ny loza ihany koa dia ireo takaitra vokatry ny ataon’ny zanak’olombelona ihany, izay manimba ny asan’Andriamanitra eto an-tany ka miteraka fikorontanan’ny rindran-damina eo amin’ny zava-boary.

 

Raha fintinina : ny loza dia vokatry ny fahotana izay misakana antsika tsy hahita an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana ; ka tsy manana ny fiadanam-po, tsy mahita mangirana, maloka lalandava.

 

Fa matetika isika no efa mangorohoro lava noho ny fahalemena sy ny toe-pahotana izay mahazo vahana ao amintsika ka mangeja ny fiainantsika tsy hivelatra araka ny maha-zanak’Andriamanitra.

 

Amin’izay fotoana izay, hampatahotra marina ny ahatongavan’ny Tompo satria hisy fiovana mahery vaika. Tsy avelan’Andriamanitra ho tompon-teny farany ny ratsy ka mitaky safidy hentitra ho antsika : na hiala amin’ny fahazaran-dratsy dieny izao, na mivonona ho levona miaraka amin’ny ratsy rehetra sy ny forongony.   

 

 

Inona àry no hatao ?

Hoy ny fahendrena Malagasy hoe :

 

“Izay tsara fiomanana tsy tampohin’ny loza”

Ny vavaka dia sady fiadiana no fiomanana tsara indrindra. Mampiombona tanteraka amin’Andriamanitra ka ahazoana fahatoniana sy fiadanam-po ary fahazavan-tsaina. Ary raha miaraka amin’Andriamanitra isika dia tsy misy mampitebiteby. Près de Dieu, point de crainte. "Yahvé est ma lumière et mon salut, de qui aurais-je crainte ? Yahvé est le rempart de ma vie devant qui tremblerais-je ?"

 

Ny fibebahana no manala antsika amin’ny tebitebin-tsaina ka manome fiainam-baovao sy fiadanana anaty ary manafaka amin’ny loza dieny ankehitriny. 

 

Izany ihany koa dia mbola ilana faharetana mivavaka mba ahazoana ny Fanahy Masina hanome hery enti-miady, satria tsy mora ny fiendahana amin’ny fahazaran-dratsy ka mampatahotra ; kanefa kosa mitondra fihavaozana sy fanavotana satria ahafahana mampiantrano an’Andriamanitra ka mahatonga nofo ny famonjena eo amin’ny fiainana. 


 

Antso :

Fanamafisana sy fanavaozana ny fomba fivavaka : mba ahitagna Zagnahary ny vavaka atao ka hisy fiantraikany eo amin’ny fiainana marina ary mitondra amin’ny fibebahana. Matetika antsika hita hoe mivavaka tsy tapaka, kanefa tsisy fiombonana amin’Andriamanitra fa mankahala ny namana, tsy mivelatra amin’ny hafa.    



 Nos soeurs travaillent pour le développement et la promotion de la vie des paysans.