(En Malgache)

4ème dimanche du Temps Ordinaire — Année C (30 janvier 2022)

Jésus, comme Élie et Élisée, n’est pas envoyé aux seuls Juifs (Lc 4, 21-30)

Ce dimanche, nos soeurs, Edwige, Marie Bernadette et Céléstine de la communauté de Beforona à Madagascar nous ont témoigné combien la Parole de Dieu leur donne la force dans la mission. Merci pour la fidélité à l'écoute et à la mise en pratique de la Parole!!!



 

Evanjelin’i Md. Lioka 4. 21 – 30

 

Tamin’izany andro izany, tao amin’ny sinagogan’i Nazareta, nony avy namaky ny bokin’i Izaia i Jesoa dia niteny hoe: «Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany». Ary nankalaza azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: «Tsy zanak’i Josefa va ity ? » Ary hoy kosa i Jesoa taminy : «Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe : “Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba hataovy eto amin’ny tany nahabe anao koa.” Dia notohiziny hoe : “ Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina  amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko aminareo ihany koa fa maro no mpitondratena  tamin’Isaraely tamin’ny andron’i Elia, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta any amin’ny tany Sidona ihany. Tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, be no boka tamin’Israely ; nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa Naamàna Siriana ihany. »

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagoga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra azy  tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana ; fa namaky teo afovoan’izy ireo izy dia lasa.




Raha nandinika ity Evanjely ity izahay dia nahalala fa i Jesoa aloha dia :

-        “Zanak’i Josefa, ilay mpandrafitra” araka ny fanontanian’ireo olona nihaino ny fampianarany ka talanjona teo am-pihainoana azy.

-        “Mpampianatra” i Jesoa, mampianatra ary mampita ny “Vaovao Mahafaly” amin’ny olon-drehetra. Nahatalanjona an’izay hihaino azy ny fampianarany ka nahasarika azy ireo hifantoka sy te hahafantatra azy bebe kokoa. “Iza moa io olona io? Tsy ilay zanak’i Josefa ve ?” ary tiany hotazomina i Jesoa.

 

-        Setrin’ny fanontanian’izy ireo anefa dia tian’i Jesoa hampahafantarina azy ireo fa nirahina hitory ny Tenin’Andriamanitra amin’ny firenena rehetra izy, hanambara ny “Marina” ka izay mandray sy manantanteraka ny Tenin’Andriamanitra no ho voavonjy.

-        Ny fanambaràna ny maha olombelona an’i Jesoa : “Zanak’i Josefa ilay mapndrafitra” dia manambara amintsika ny fahatsoran’ny fiainany.

 

 

 

Ny fahazavana azonay

-        Ny fankatoavana sy fiainana ny Tenin’Andriamanitra.no làlana ho amin’ny famonjena. Raisina ho fiainana isan’andro io Teny mahavelona io.

-        Tsy matahotra ny fanenjehana eo am-pitoriana ny “Marina”. Mitory sy mampita ny Tenin’Andriamanitra an-kasahiana eo anatrehan’ny vatomisakana, tsy atao mampihemotra. Tsy manana tahotra raha atao aina ivelomana ny Tenin’Andriamanitra.

-        Mamantatra izay tian’ny Tenin’Andriamanitra ampitaina amin’ny alalan’ireo zava-mitranga amin’ny fiainana.

 


Jesoa ô, atoroy anay ny lalàna marina harahinay ary omeo anay ny Teny mahavelona “hivelomanay”.

 

Communauté BEFORONA- Madagasikara